Taratasy Voalohan'i Md. Joany

Toko faha-2

12 Manoratra ho anareo zanaka aho, satria voavela ny helokareo noho ny anarany.

13 Manoratra ho anareo aho, ry ray, satria nahalala ilay hatramin'ny voalohany hianareo. Manoratra ho anareo aho, ry zatovo, satria naharesy ilay ratsy hianareo. 14 Nanoratra ho anareo ankizy aho, satria efa nahalala ny Ray hianareo. Nanoratra ho anareo ray aho, satria efa nahalala ilay hatramin'ny voalohany hianareo. Nanoratra ho anareo zatovo aho, satria mahery hianareo ka mitoetra ao aminareo ny tenin'Andriamanitra, sady efa naharesy ilay ratsy hianareo. 15 Aza tia izao tontolo izao, na ny zavatra amin'izao tontolo izao. Fa izay tia an'izao tontolo izao dia tsy manana ny fitiavana ny Ray ao anatiny.

16 Satria ny zavatra rehetra amin'izao tontolo izao, ny filàn'ny nofo, ny fitiavan'ny maso, ny rehaka amin'izao fiainana izao, dia tsy avy amin'ny Ray, fa avy amin'izao tontolo izao. 17 Mandalo izao tontolo izao sy ny filàny, fa izay manao ny sitra-pon'Andriamanitra no maharitra mandrakizay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0651